Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 103 551 amin’ny teny malagasy

Lahatsoratra notsongaina ho an’ity volana ity

Asa fanenomana lamba eto Madagasikara

Ny lambamena dia lamba hamonosana ny maty teo amin'ny Ntaolo. Anarana fotsiny ihany ny lambamena fa mety ho volonkazo ny lokony, mety ho fotsy na mavo na mena mihitsy, angamba noho izy mivadika mena rehefa ela namonosana razana no nahatonga ny anarany hoe lambamena. Marihina moa fa ny mena tamin'ny Malagasy taloha dia somary miloko volontany mifangaro loko mena. Ny lambalandy kosa dia lamba vita amin'ny landy saingy hitafian'ny velona.

Samy manana ny soratra sy lokony ireny lambamena ireny ary ny sasany aza dia misy ny anaran'ilay razana vita amin'ny vakana. Miankina amin'ny lokony sy ny halehibeny (misy telo vitrana, 5 vitrana, sns...) anefa no vidiny. Araka ny fiteny hoe "Izay sahy maty no mifono lambamena" dia ny lamba miloko mena no tena lafo vidy ka ireo olona manankaja sy mahery fo teo amin'ny fiarahamonina no tena nividianan'ny olona azy sy notolorana azy satria mendrika izany noho ny vidiny. Ireo lamba tsy dia misy loko firy kosa (volonkazo) dia mora kokoa ny vidiny.

(tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

São Paulo LGBT Pride Parade 2014 (14108541924)

Ny diabem-pireharehana, fantatra ihany koa amin'ny hoe Gay Pride, Lesbian & Gay Pride, LGBTQIA+ Pride, na Pride tsotra fotsiny izao, no fihetsiketsehana lehibe indrindra karakarain'ny hetsika LGBT. Kinendriny ny mba tsy hahatakona ny olona pelaka, lesbiana, tia lahy sy vavy, queer, nanova fananahana, ary ny olona LGBTQIA+ hafa sy hiaro ny fahalalahana sy ny fitoviana amin'ny fironam-pitiavana ara-pananahana sy ireo fiziana ara-karazana fananahana.

Indraindray koa ireny fihetsiketsehana ireny natao hitakiana zo ho eken'ny lalàna toy ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana. Ny ankamaroan'ny fihetsiketsehana isan-taona dia mitranga any amin'ny tontolo tandrefana, raha atao isaky ny volana jona kosa ireo fihetsiketsehana sasany ho fahatsiarovana ny rotaka tao Stonewall,[1] [2]New York City,[3] tamin'ny taona 1969 izay fotoan-dehibe manana ny lanjany manokana teo amin'ny hetsika sosialy LGBTQ maoderina. Kinendrin'ny diabem-pireharehana ny hanangana vondrom-piarahamonina sy hanomezam-boninahitra ny tantaran'ny hetsika LGBTQIA+.[4]

Noforonina ny diabem-pireharehana taorian'ny rotaka tao Stonewall tany Etazonia tamin'ny taona 1969 ary efa misy manao azy any amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao. Matetika izy ireo no karakaraina manodidina ny volana Jona, volan'ny rehareha LGBTQ, eo isan-taona.

(tohiny)

 Sarin’ny anio


 Ny vaovao


Azontsika tsirairay atao ny mametraka ny vaovao tsy mitongilana ary tsy mandainga eto

Indreto kosa ny tahiry: * Mey 2026 * Avrily 2026 * Marsa 2026 * Tahiry 2026 * Teo aloha


 Efemerida

Androany 1 aogositra:

  • 1291 – daty saimbôlika ny fanaovan-tsonia ny Dina Federaly heverina ho dina fananganana an'i Soisa.
  • 2004 – Olona efa ho 400 no maty tamin'ny fahamaizan'ny toeram-pivarotana lehibe iray tao Asunción, Paragoay, rehefa nohidiana avokoa ny lalana fivoahana mba tsy hahafahan'ny olona mangalatra entana.
  • 2007 – Niharan'ny fahasimbana goavana ny Tetezana 9340, izay nitondra ny Interstate 35W niampita ny Reniranon'i Mississippi tao Minneapolis, Etazonia, ary nidaraboka, ka nahafaty olona 13 sy naharatrana olona 145 hafa.

Pejy rehetra 

Sokajy 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 


  1. Wurzburg, Andrea (July 13, 2023). "Everything you need to know about pride month". People. Archived from the original on June 11, 2020. Retrieved March 17, 2024.
  2. Wythe, Bianca (June 9, 2011), "How the Pride Parade Became Tradition", American Experience, archived from the original on April 22, 2016, retrieved March 17, 2024
  3. Archie, Ayana; Griggs, Brandon (June 1, 2022). "It's pride month. Here's what you need to know". CNN. Archived from the original on June 13, 2022. Retrieved March 17, 2024.
  4. "Pride: what is it and why do people celebrate it?". BBC. June 1, 2022. Archived from the original on June 3, 2020. Retrieved March 18, 2024.
  5. https://newsmada.com/2026/07/02/fampiasana-ny-teny-malagasy-tsara-ny-dingana-fa-mila-fampiharana/